2 Thessalonians 2

1Ankehitriny ny momban’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny nanangonana antsika iaraka aminy: manontany anareo izahay, ry rahalahy, 2mba tsy ho mora helingelenina na hihorohoro ianareo, na amin’ny fanahy, na amin’ny hafatra, na amin’ny taratasy izay toy ny hoe ho avy aminay, noho ny vokatry ny fahatongavan’izany andron’ny Tompo izany.

3Aza avela hisy olona hamitaka anareo na amin’ny fomba ahoana. Fa tsy ho tonga izany raha tsy aorian’ny fahatongavan’ny fianjerana, ary ny lehilahy mpandika lalàna dia aseho, ny zanaky ny fahasimbana. [Fanamarihana: ny dikan-teny taloha sasany dia mivaky hoe: “ary ny lehilahy mpanota dia aseho”]. 4Izy ilay manohitra sy manandratra ny tenany amin’izay rehetra antsoina hoe Andriamanitra na izay ivavahana. Vokatr’izany, dia nipetraka tao amin’ny Tempolin’Andriamanitra izy ary mampiseho ny tenany ho toy ny Andriamanitra.

5Tsy tadidinareo ve fa fony izaho niaraka taminareo dia efa niteny ireo zavatra ireo? 6Ankehitriny fantatrareo inona no mitana azy, mba hisehoany amin’ny fotoana mety irery ihany. 7Fa ny zava-miafin’ny fandikan-dalàna dia efa miasa, misy olona iray ihany misakana azy ankehitriny mandra-panalana azy teo amin’ny lalana.

8Avy eo ilay tena mpandika lalàna dia ho aseho, izay hovonoin’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany. Ny Tompo dia hitondra azy amin’ny tsy misy dikany amin’ny alalan’ny fisehoan’ny fiaviany. 9Ny fiavin’ilay tena mpandika lalàna dia noho ny asan’ny Satana miaraka amin’ny hery rehetra, ireo famantarana, ary ireo fahagagana tsy marina, 10ary miaraka amin’ny fitaka rehetra ny amin’ny tsy fahamarinana. Ireo zavatra ireo dia ho an’ireo izay very, satria izy ireo dia tsy nandray ny fitiavan’ny fahamarinana mba ahavoavonjy azy ireo.

11Noho izany antony izany dia mandefa asan’ny fahadisoana Andriamanitra mba hinoan’izy ireo lainga. 12Vokatr’izany dia hotsaraina daholo izy rehetra, ireo izay tsy mino ny fahamarinana fa kosa maka fahafinaretana amin’ny tsy fahamarinana.

13Fa izahay dia tokony manome fisaorana an’Andriamanitra foana ho anareo, ry rahalahy notiavin’ny Tompo. Fa Andriamanitra no nifidy anareo toy ireo voaloham-bokatra ho an’ny famonjena amin’ny fanamasinana ny Fanahy sy ny finoana ny fahamarinana. [Fanamarihana: ny dikan-teny hafa dia mivaky toy izao: “Fa Andriamanitra dia nifidy anareo hatramin’ny voalohany ho an’ny famonjena]. 14Izany no niantsoany anareo tamin’ny alalan’ny filazantsaranay mba ahazoanareo ny voninahitr’i Jesosy Kristy Tompontsika. 15Ka noho izany, ry rahalahy, mijoroa mafy. Tazomy ireo fahamarinana izay nampianarina anareo. Na tamin’ny teny na tamin’ny taratasinay.

16Ankehitriny aoka i Jesosy Kristy Tompontsika tenany, ary Andriamanitra Raintsika izay tiantsika sy nanome antsika fankaherezana mandrakizay sy ny fahatokisana tsara ho an’ny ho avy amin’ny alalan’ny fahasoavana, hankahery ary hametraka ny fonareo amin’ny asa tsara rehetra sy ny teny.

17

Copyright information for PltULB